top of page

"Gâteau Salé"

  • Writer: Krystah Line
    Krystah Line
  • Oct 4, 2024
  • 1 min read

Auteur : RAPARISON Toky Mahery


Ity « Gâteau salé » ity dia azo atao rehefa misy lanonana, atao « entrée froide ».


ree

Isan’ny olona : 4

Fotoana hikarakarana azy : 20min

Fotoana hiketrehana azy : 30min


Akora ilaina :

  • Ovy

  • Tongolo tetehina majinika

  • Persily voatetika majinika

  • Atody voaodina

  • Sesika izay tianao ohatra hoe hena na nofon’akoho (endasina miaraka amin‘ny hanitra isankarazany)

  • Atody andrahoina ary tetehina boribory

  • Fromazy malemy

  • Dibera kely

  • Sira

  • Dipoavatra


Fikarakarana « Gâteau salé » :

1. Andrahoina ny ovy dia potserina izy mbola mamay iny.

2. Asina ilay dibera, fromazy, sira, dipoavatra, persily.

3. Afangaro dia asiana ilay tongolo sy atody voaodina.

4. Asiana taratasy manify amin‘izay ny lasitra boribory, atao mihoatra satria ho saromana aminy ilay izy avy eo

5. Arotsaka ao anatin’ilay lasitra ny ovy (3/4 ny fangaro) dia asiana goaka eo afovoany. Somary lemana rano hatrany ny sotro hanalamana azy mba tsy hiraikitra. Atao ao ilay sesika, avy eo, dia asiana ilay atody voatetika eto amboniny.

6. Saromana amin’ilay ambina ovy toy ny manao « gâteau ».

7. Hosorana ny ambin’ny atody voaodina ny tampony.

8. Haingoy amin‘ny mofo voapotipotika ny sisiny. Ny tampony afaka haingoana amin‘ny cornichon na olive, ketchup, maïs doux sns.

9. Ampidiro vata fapangatsiahana mandrapihinana azy.

Mazotoa ary ô !

Comments


bottom of page