Akondro amin'ny vaonio
- Krystah Line
- Sep 20, 2024
- 1 min read
Updated: Oct 4, 2024
Autrice : Nathalie Ramanantsalama
"Sady mampiasa ny gaz Mocoh no mankafy ny tsiron'ny sakafo"

Sakafo natao ho an’ny olona 4 na 5.
Fotoana hikarakarana azy : 40 minitra
ZAVATRA ILAINA :
Akondro masaka fanendy 1,5 kg
Voanio 1
Vanilla : 2 singany (faka asina, na tsy asina)
Rano : 1,5 litatra
Sira 1 tsongo tanana
FOMBA FIKARAKARANA AZY :
Voasana ny akondro, rehefa vita izay dia zaraina roa na efatra arakaraka ny habehan’ny vilany, ary halahatra tsara ao.
Kikisana ny voanio, rehefa vita izany dia arotsaka ao anaty rano matimaty 1/4 litatra. Dia fihazina ireo mba ahazoana ilay ronono voanio voalohany ary atokana anaty lovia baolina.
Hiverenana asiana rano 1 litatra indray ilay voanio nampiasaina teo. Mbola fihazina indray mba ahazoana ronono voanio faharoa izay natao handrahoana ilay akondro.
FOMBA FANDRAHOANA AZY :
Arotsaka anaty vilany misy ny akondro ilay ronono faharoa ary ampiarahana ao ny sira iray tsongo sy ny vanilla, ity farany dia manome hanitra tsaratsara kokoa an'ilay akondro.
Hapetraka ambonin’ny fatana ilay vilany mandritra ny 20 minitra, avela ho masaka ary haroarona matetika amin’ny sotro be ny nahandro mba tsy hampivaingana ilay fangaro.
Rehefa masaka tsara ilay akondro, dia arotsaka ao ilay ronono voanio nalaina voalohany, tsy saromana intsony ny vilany ary avela hangotraka 5 minitra, mandritra izany dia haroana matetika ihany ilay izy.
Rehefa vita izay dia ajanona ny afo ary vita ny nahandro. Tsaratsara kokoa raha hoanina mafana ity sakafo ity.
MAZOTOA HOMANA ARY Ô !



Comments